Psalms 65

Fiderana an’ Andriamanitra noho ny ataony, fa indrindra noho ny anomezany ny vokatry ny tany

Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida. Tonon-kira.

1

2Ho anao ny fanginana sy ny fiderana
Na: Ny fiononana dia fiderana ankasitrahinao.
, Andriamanitra any Ziona ô, ary aminao no anefana ny voady.
3Ry Mpihaino vavaka ô, Hianao no hohatonin’ ny nofo rehetra. 4Ny zava-mahameloka ahy dia mihoatra noho izay zakako; nefa Hianao no mamela ny fahadisoanay. 5Sambatra izay fidinao ka ampanatoninao hitoetra eo an-kianjanao; Te-ho voky ny zava-tsoa ao amin’ ny tranonao izahay dia ny zava-masìna ao amin’ ny tempolinao. 6Zava-mahatahotra no ataonao amin’ ny fahamarinana ho valin’ ny vavakay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ry tokin’ ny faran’ ny tany rehetra sy ny ranomasina eny lavitra eny. 7Mampiorina ny tendrombohitra amin’ ny heriny Izy, misikìna fahatanjahana Izy. 8Mampitsahatra ny firohondrohon’ ny onjan-dranomasina Izy, sy ny fitabataban’ ny firenena. 9Dia matahotra noho ny famantaranao ny mponina any am-paran’ ny tany; ny any amin’ ny fiposahan’ ny maraina sy ny hariva no ampihobinao. 10Mamangy ny tany Hianao ka mahamando azy; mampahavokatra azy betsaka Hianao ― Ny onin’ Andriamanitra dia tondra-drano ― Mamboatra vary ho an’ ny olona Hianao; fa izany no famboatrao ny tany. 11Mahampoka ny tany voasa Hianao ka mampiravona azy; ranonorana mivatravatra no amontosanao azy; mitahy ny fitsimohany Hianao. 12Satrohanao voninahitra ny taona fitahianao; ary ny dianao mitete menaka. 13Vonton-drano ny fiandrasana ondry any an-efitra, ary misikìna fifaliana ny havoana. 14Rakotra ondry ny saha; ary voasarona vary ny lohasaha: mihoby izy, eny, mihira koa.
Copyright information for Mg1865